Overblog Tous les blogs Top blogs Musique & Divertissements Tous les blogs Musique & Divertissements
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
MENU
Publicité

Ity dia atolotro ohan' ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka @zao ankatokiny 26 jona zao !

andro vitsivitsy de tonga zany , mifalia , mifankatiava , mahaiza mifandefitra indrindra ireo

mpitondra ity tany malalako ity  ilay Madagasikarasoa

Ny TOMPO ANIE HITAHY ATSIKA REHETRA AMEN !

I-
Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.

Fiverenana :
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay.

II-
Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.
--->Fiverenana

III-
Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka Ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.
--->Fiverenana

Mpamorona : Pasteur Rahajason tamin'ny taona 1958.
Mpandrindra : Norbert Raharisoa
Fandìkana ho teny frantsay : jereo wikipedia

Publicité
Tag(s) : #Madagascar
Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :